Vondron-ketra hoan’ny tany sy ny trano

Ny Kaominina Sabotsy Namehana dia nisy fiaraha-miasa teo amin’ny Giz ProDéCID (Projet de Développement Communal Inclusif et de Décentralisation)  hoan’ny vondron-ketra hoan’ny tany sy ny trano, izany dia efa natomboka ny volana Novambra 2017 lasa teo ka tsy nifarana raha tsy ny volana Desambra 2017. Nanaovana ny fanisana (recensement) hoan’ny FKT 17.

Amin’izao fotoana izao nanomboka ny faha 22 Janoary 2018 ka tsy hifarana raha tsy ny 22 Febroary 2018 dia ny fizarana ny taratatasin-ketran-trano (Rôle) rehetra no natao vain-dohan-draharaha. Ka misy amin’ireo fokontany ireo no efa vita tanteraka, ary ao ireo an-dalampahavitana.

Amin’ny ankapobeny dia hita ho marisika ny olona amin’ny fanefa ity adidy masina hoan’ny tanindrazan ity, ary mbola entanina hatrany isika!!!

“Tsy avotro izaho samirery, fa avotro izaho sy ianao ny tananan-tsika”

Source : Christian R. Tambatra Fampandrosoana