VOAROBA NY LAPAN’NY TANANA SABOTSY NAMEHANA

VOAROBA NY LAPAN’NY TANANA SABOTSY NAMEHANA

Ny Alatsinainy, hifoha talata 04 Oktobra 2016, sahabo tamin’ny 4ora maraina no nisy namaky ny LAPAN’NY TANANA SABOTSY NAMEHANA (eto Namehana)

Nipoirin’ireo tsy mataho-tody ny varavaran-kely, ary dia tafiditra tao anaty lapan’ny tanana izy ireo, ka dia nanararaotra nanao ny asa ratsiny.

Entana maro, mitentina 15 000 000 Ar no very tamin’izany, nahitana :

– Ampils 1
– Lecteur DVD 1
– Rideaux 4
– Micros sans fils 2
– Montre Murales 1
– Tables mixeurs 1
– Bafles 2

Tsy fantatra mazava ny isan’ireo Jiolahy fa raha ny tombatombana dia mihoatra ny 2 ny isan’izy ireo.

Amin’ny maha fananana iombonana ny fitaovana ampiasaina eto anivon’ny Kaominina dia manao antso avo ny Ben’ny Tanana Andriamosa AVOTRAINA, mba hifanome tanana ka hampita ny vaovao raha misy olona na fahitana ireo fanan’ny Kaominina ireo.

Iangaviana hatrany isika manana vaovao mahakasika izany, mba hanatona mivantana ny Kaominina Sabotsy Namehana, na manatona ny manam-pahefana akaiky antsika indrindra.

« .. tsy avotro izaho samy irery, fa avotro izaho sy ianao… »