Vakisiny iadiana amin’ny Lefakozatra

Nosokafana tamim-pomba ofisialy teto amin’ny Kaominina Sabotsy Namehana ny andro natokana hanaovana vakisiny iadiana amin’ny Lefakozatra,
Marihina fa andiny fahavalo ity, ary raha araka ny loharanom-baovao re teny an-toerana dia ity no andiany farany amin’ny fanaovana vakisiny amin’ny ady atao amin’ny Lefakozatra na Polio.
Vahoaka maro be, mpianatra, mpiasa, olo-tsotra no nanoina ny antso nataon’ny Kaominina tami’ny alalan’ny fanentanana nataon’Andriamato Ben’ny Tanana Avotraina.

Olo-manan-kaja maro sivily sy miaramila no tonga nanokatra izany.

Nandritra ny fandraisam-pitenenana nataon’Andriamatoa Ben’ny tanana, dia notsoriny fa « … zon’ny zaza ny hatao vaksiny.. » ary mino sy manantena ny tenany fa ho maro an’isa ny zaza vita vaksiny eto amin’ny Kaominina Sabotsy Namehana.