Tsy manohitra ny fanapahan-kevitry ny ministera
Araka ny hita tamin’ ny haino aman-jery dia nampiatoana ny bèn’ ny tanana Sabotsy Namehana kanefa tsy mbola naharay taratasy momba an’ izany izy. Ny antony izany raha ny fantatra dia noho ny fanodikodinam-bolam-panjakana sy tsy fanajana ny filoham-pirenena. Nandiso izany kosa anefa izy satria raha ny vola fanampiana avy amin’ ny fanjakana nandritry ny telo volana dia 11.000.000 Ar kanefa ny vola mivoaka isam-bolana amin’ ity kaominina ity, 16.000.000 Ar.
Nanasa ny mponina eo amin’ ny kaominina iadidiany izy hijery ny bokim-bola hanamarinan’ izy ireo ny tsy fisian’ izany fanodikodinam-bola izany. Tsy marina, ihany koa ny tsy fanajana ny filoham-pirenena izany, hoy ANDRIAMOSA AVOTRAINA, bèn’ ny tanana Sabotsy Namehana. Na izany aza anefa dia tsy manohitra ny fanapahan-kevitry ny ministera izy. Vonona, ihany koa ny hilatsaka amin’ ny fifidianana bèn’ ny tanana ho avy izao satria mahafeno ny fepetra aho, hoy izy.
Marihana fa avy eny amin’ ny kaominina Sabotsy Namehana ny filoham-pirenena Hery RAJAONARIMAMPIANINA ary manohana sy mankahery ity bèn’ ny tanana ity ny fianakavian’ ity filoha ity.
Source : http://www.canalnews.net