TSY FAHAMPIAN-DRANO ETO SABOTSY NAMAHENA SY NY MANODIDINA
Tsampa sy hita fa mihena ny rano avoakan’ny Tobin-drano eto Sabotsy Namehana sy ny manodidina,
Noho izany dia nandefa iraka ny eto anivon’ny Kaominina Sabotsy NAmehana nijery ifotony ny antony mety niteraka izany.
Hita ary fa manomboka eo ambanin’Ankororosy Miadapoana mandram-pahatonga aty Ambatofotsy dia tapahan’ny olona avy amin’ny
alalan’ny toho-drano madinika ny renirano, eo ihany koa ireo manararaotra ny mikobaka mandritra rano hakana trondro
Izany rehetra izany dia miteraka tsy fahampian-drano eto amin’ny Kaominina sy ny manodidina.
Noho izany dia tsy azoko ekena ny fanaovana ireo tanisaina ambony ireo ao anatin’ity renirano ity, ary ho henjehina araka ny lalana ireo minina mandika izany.