TRATRY NY ASARAMANITRA 2018
Tany amin’ny Kaominina Ambohimalaza, no toerana nisafidian’ny Distrika Avaradrano nanatanterana ny fankalazana ny Fitsingerenan’ny fahazoana ny Fahaleovantena, dia ny fetin’ny faha 26 Jona izany.
Tonga nitarika ity lanonana ity ny Lehiben’ny Distrika Antananarivo Avaradrano, notronin’ireo olom-boafidy (Senatera, Solombavambahoaka, ary Ben’ny tanana ) aty amin’ny Distrika
Tonga niara nankalaza izany izany koa isika eto amin’ny Kaominina Sabotsy Namehana, izay notarihin’Andriamatoa Ben’ny Tanana Avotraina Andriamosa sy ny Vadiny.
Matso,Dihy mirindra, kabary nifandimbiasana no nentina nankalazana izany andro manan-danja izany.