Tratehaka ny atidoha nikotrika namaky ny Lapan’ny Tanànan’i Sabotsy Namehana.

Nisy namaky ny Lapan’ny Tanànan’i Sabotsy Namehana ny Asabotsy 06 Febroary 2021 lasa teo, ka very tamin’izany ireo fitaovana maromaro toy ny Table mixeur 1, lecteur DVD Winner 1, ampli Super Tech 1, Baffles 400W miisa 2, micro professionnel 2, sns…, izay mitentina eo ho eo amin’ny 9.000.000 Ariary. Niakatra fitsarana ny 09 Febroary 2021 ireo olona roa lahy voarohirohy tamin’izany ka nahiditra am-ponja vonjimaika any Antanimora.
Taorian’ny fanadihadiana lalina natao azy ireo ny 12 Martsa 2021 teo anivon’ny Fitsarana dia nisy ny taratasy navoakan’ny Fitsarana ao Antananarivo mampitady an’Atoa Tovo izay voatonona fa atidoha nikotrika namaky ny Lapan’ny Tanànan’i Sabotsy Namehana.
Rehefa nanao ny asany ireo #Polisim_pirenena eto Sabotsy Namehana dia tratra tao anaty Bus-n’ny Sabotsy (Line H) ny Zoma 19 Martsa 2021 i Tovo, ilay jiolahy raindahiny izay tafaporitsaka ; ka hisaorana ny Polisim-pirenena tamin’ny fanatanterahana ny andraikiny ka nahatratrarana azy ireo.
Tamin’ny fanadihadiana natao tamin’i Tovo no nanondrony ireo olona namarotany ny entana, ka efa notazonina ao amin’ny Kaomisaria Sabotsy Namehana izy ireo.
Natolotra ny fitsarana ny Alatsinainy 22 Martsa 2021 i Tovo sy ny mpanera ary ilay olona nividy ny entana halatra.
Ka nampidirina amponja vonjy maika eny Antanimora ireto Jiolahy ireto.
Olona dimy izany hatreto no migadra amin’izao raharaha izao.
Marihina fa efa in-droa vaky io Lapan’ny Tanàna io, ary mitovy tsy misy valaka ny fomba nahavaky azy.