TOURNOIS DES AS
TOURNOIS DES AS
KARAKARAIN’NY MPI KI TRA sy ny KAOMININA SABOTSY NAMEHANA
Ny FC Fanilo SOAVIMASOANDRO sy ny FC BOUCHER SABOTSY NAMEHANA
Nifandanja ny lalao, ary samy nanao ny ainy tsy ho zavatra tamin’ny fampisehoan-kery
nandritra ny lalao ny roa tonta. Hita ary taratra fa miaabo ny hay teknika hananan’ny ekipa tsirairay
Ny Baolina moa boribory; ary amin’ny fifaninana toy itony, dia tsy maintsy misy ny maharesy.
Koa dia niondrika teo anatrehan’ny Ekipa FC Fanilo SOAVIMASOANDRO ny ekipa FC BOUCHER SABOTSY NAMEHANA satria
dia isa TOKANA monja no nentin’ny Ekipa mpandresy ny FC BOUCHER.
Adin’ombalahin’ny mpianakavy tokoa moa iny, ka ny mahery tsy hobiana, ny resy tsy hakoraina