Tonga eto SABNAM ny BNI

Io maraina io no notokanana tamim-pomba ofisialy ny BNI eto Sabotsy Namehana,
Tonga nanotrona izany lanonam-pitokanana izany ny Ben’ny Tanana Kaominina Sabotsy Namehana, Avotraina Andriamosa, Ny Filohan’ny Mpanolon-tsain’ny Tanana, ny Lehiben’ny Distrika Antananarivo Avaradrano, ary ireo mpandraharaha ao amin’ny BNI Madagasikara Ifandraisana Ifaneraserana

Fantatra fa BNI faha 60 amin’ireo masoivoho ity nosokafana eto Sabotsy Namehana ity

Nomarihin’Andriamatoa Ben’ny tanana tamin’ny fandraisam-pitenenana nataony fa zava-dehibe loatra hoan’ny Kaominina ny fisiana Banky lehibe miorina eto amin’ny Tanana tahaka izao