TOMPANDAKA LIGY ANALAMANGA 2015

Norombahan’ny AC SABNAM tamin’ny isa mavesatra 3 no ho O raha nifandona tamin’ny Ekipa MIFA ny Amboaran’ny Ligy Analamanga Taona 2015
Izay nototonsana ny Alahady 24 Aprily taona 2016, lasa teo, Ady baolina famaranana izay notontosana teo amin’ny Kianja Alarobia

Ny Alakamisy 28 Aprily  2016 lasa teo kosa vao natolotra ny amboara, izay natao tao amin’ny Hotel Ibis Ankorondrano
Tonga nanome voninahitra ity fanolorana amboara ity ny Solon-tenan’ny Minisitry ny Tanora sy Fanatanjahan-tena, ny Filohan’ny Ligy Analamanga Andriamatoa, Henintsoa RAKOTOARIMANANA
Teo ihany koa ny Filoha lefitra arabarotry ny Orange Aty Afrika Leon Charle, sy ny Tale Jeneralin’ny Orange eto Madagasikara.

Ny Ben’ny Tanana ny Kaominina Sabotsy Namehana Andriamatoa Avotraina ANDRIAMOSA no nitarika ny Delegasiona ny AC Sabnam,izay nahitana ireo mpilalao baolina zazavavy, ary ireo teknisianina

Tiana hatrany moa no manamarika fa ny AC Sabnam no tompon-dakan’i Madagasikara farany teo, no sady Tompon-dakan’ny Ligy Analamanga, Sokajy zazavavy