Tetik’asa fanodinana Fako
Androany no natao ny fikaonan-doha amin’ny sivana hijerena ireo tanora hofanina ho lasa mpandraharahan amin’ny fanodinana fako (Bio) ho lasa arina fandehitra; Izay niarahana tamin’ny Fikambanana Tsinjomeva, ary hovatsian’ny PNUD vola izay hatao eto anivon’ny Kaominina Sabotsy Namehana.
Tonga niatrika izany ireo sefo fkt 17, ny avy eto amin’ny Kaominina, ny solon-tenan’ny Fikambanana Tsinjomeva, , ary ny avy ao amin’ny PNUD
Marihina fa hiteraka asa mivantana hoan’ny tanora vonona handraharaha ity tetik’asa ity, ka iantsoana ihany koa ireo izay manam-pikasana na liana hiditra ao anatin’io tetik’asa io