ORDINATEUR COMPLET AVY AMIN’NY ONG DIRECT AID

Ny ONG DIRECT AID, izay soloan’ny Filoha Tale Jeneraly, Andriamatoa ALLAOUI Benaissa, tena, dia nanolotra ORDINATEUR COMPLET iray hoan’ny Kaominina Sabotsy Namehana ny Alakamisy 18 Mey 2017 lasa teo.

Nandray izany fanomezana izany ny Birao Mpanatanteraka eto anivon’ny Kaominina, izay notarahin’Andriamatoa Ben’ny Tananana Avotraina ANDRIAMOSA, sy ireo Mpanolontsaina Kaominaly, notarihin’ny Filohany Andriamatoa RAKOTOMALALA Julien.