NY RENIN’NY FILOHAM-PIRENENA NO MPIAHY NY AC SAB NAM

NY RENIN’NY FILOHAM-PIRENENA NO MPIAHY NY AC SAB NAM

Nandritra ny lanonana nandraisana tamin’ny manetriketrika ny Athlentic Club Sabotsy Namehana izay avy NANDROMBAKA FANINTELONY NY AMBOARAN’NY TOMPONDAKAN’NY MADAGASIKARA tany Mahajanga, teo amin’ny sokajy “SENIOR” vehivavy, dia hafaliana tsy omby tratra ihany koa ny nandrenesan’ny fianakaviamben’ny Klioba sy ny mponina Avaradrano ny Fanampahan-kevitra noraisndRatoa RASOAMAMPIANINA Perline, Renin’ny Filoham-pirenena Hery RAJAONARIMAMPIANINA, ho mpiahy ny A.C.S.B, azo antoka arak’izany fa hanampy hery sy tanjaka ary herin-tsaina hoan’ity Ekipa naorin’ny Ben’ny ANDRIAMOSA Avotraina ity izao fihetsika mampi-te hidera amin’ny fanohanana nataon’ny Renin’ny Filoham-pirenena izao, izay tena ilaina tokoa amin’ny fampiroboroboana ny taranja ara-panatanjahan-tena toy ny baolina kitra, hananan’ny faritra .
Eto dia tsy hay ny tsy hisaotra ireo mpanohana ny Athlentic Club Sabotsy Namehana
– Ny Kaominina Sabotsy Namehana
– Ny MPI.KI.TRA
– Ny COTISSE Transport
– Ramatoa Pascaline Ambodivohindava
– Ary ny Bouba Sports sy ny maro tsy voatanisa
Soritana fa ankoatry ny amboara Lehibe dia notoloran’ny Federasiona lelavola 1 500 000 Ar koa ny mpilalao ary 300 000 Ar no anjaran’ny mpanazatra

Tsara tsiahivina ny momba mpilalao sy ny Mpanazatra AC SAB NAM
01- Mpiandry tsatokazo : Sily
02- Vodilaharana : Génvieve – Felana – Ravaka – Mbola
03- Irakiraka : Gina (kap) – Nivo – Sylvie – Bao
04- Mpanafika : Sophie – Nouna
05- Mpisolon-toerana : Nasolo – Ravaka – Lanto – Koloina – Raly – Petit – Tsinjo – Mamitiana – Harinala – Raoly – Clara
06- Mpanazatra : RAKOTOMALALA Johary – RASOARIMALALA – RASATA RAKOTOVAO Herihaja