Notokanana tamim-pomba ofisialy ny Paositra
Androany, 15 Febroary 2017 no andro nanokanana tamim-pomba ofisialy ny biraon’ny Paositra eto Avaradrano, izay hita eto Antsofinondry, Kaominina Sabotsy Namehana.
Tonga nanome voninahitra izany fanokanana izany ny Filoham-pirenena Malagasy Hery RAJAONARIMAMPIANINA, ny Minisitry ny Paositra sy ny Fifandraisan-davitra, Ireo Solom-bavam-bahoaka eto Avaradrano, ny Sefo Distrika, Ny Ben’ny Tanana Kaominina Sabotsy Namehana, ary hita tonga nanotrona izany ihany koa ny Ben’ny tanana sasany ato amin’ny Distrika.
Nandritra ny lahateny sy fitsofan-drano nataon’Andriamatoa Filoham-pirenena, dia nambarany fa vavahady misokatra hoan’ny Distrika sy Kaominina hoan’izao tontolo izao ny fijoroan’ity Biraon’ny Fifandraisan-davitra ity eto anivon’ny Kaominina Sabotsy Namehana, satria na dia Kaominina aty Ambanivolo aaa, dia efa misy foto-drafitrasa mitovy amin’ny Kaominina Renivohitra.
Ankafaliana sy fisaorana moa no nasetrin »ny vahoaka ny Distrika Avaradrano izany teny feno fankaherezana izany