NOTANTERAHINA TETO AMIN’NY COMMUNE SABOTSY NAMEHANA NY MATSO LEHIBE NANAMARIHANA NY FAHA 26 JONA 2023 IZAY NOKARAKARAIN’NY DISTRIKA ANTANANARIVO AVARADRANO

NOTANTERAHINA TETO AMIN’NY COMMUNE SABOTSY NAMEHANA NY MATSO LEHIBE NANAMARIHANA NY FAHA 26 JONA 2023 IZAY NOKARAKARAIN’NY DISTRIKA ANTANANARIVO AVARADRANO

Teto amin’ny Commune Sabotsy Namehana, no notanterahina ny Matso lehibe nanamarihana ny faha 26 Jona 2023, izay nokarakarain’ny Distrika Antananarivo Avaradrano.

Tonga nitarika izany ny Filohan’ny Distrika Antananarivo Avaradrano sy Ramatoa vadiny.

Nanatrika sy nanome voninahitra an’ity lanonana ity ihany koa ny Solombavambahoaka, voafidy teto Antananarivo Avaradrano, ankoatran’i Ben’ny Tanana Kaominina Sabotsy Namehana, Andriamatoa Avotraina ANDRIAMOSA, dia tonga nanotrona sy nanome voninahitra izao lanonana izao ihany koa ny Ben’ny Tanana Commune Ambohimangakely RADAFY Thiery, izay sady Filohan’ny FIBA ( Firalahian’ny Ben’ny Tanana Avaradrano), Kaominina AMbohimanambola, Kaominina Anosy Avaratra.

Tamin’ity lanonan-dehibe ity, dia nisy ihany koa ny fanolorana mari-bonihim-pirenena hoan’ireo nahavita be teto anivon’ny Distrika.

Rehefa izany, dia niroso tamin’ny MATSO LEHIBE, ka ireo Tafika aron’ny vozona, izay miasa ety anivon’ny Distrika Avaradrano no nisantatra izany, narahin’ireo Fikambanana sy Mpanao fanatanjahan-tena maro lafy. Niavaka kely ny seho feno fahakingana nasehon’ireo Mpanao Hay ady KUNG-FU WUSHU.

Ankoatr’izay dia tazana ihany koa ny fandraisan’anjara nataon’ny Kaominina, nahitana ny Kaomina Ambohimangakely, Kaominina Sabotsy Namehana.

Raha arak any fandaharam-potoana; dia hisy rindran-kira lehibe hiarahana amin’ny Mpanan-kanto ODYAI sy fandefasana ety an-toerana anio hariva.