Notokanana ofisialy ny trano Arisiva

Anio, Alakamisy 22 Martsa 2018 no notakanana ofisialy ny trano Arisiva ahitana efitra 6 eto anivon’ny Kaominina Sabotsy Namehana.

Trano natokana indrindra ho fitahirizina ny arisivan’ny Kaominina Sabotsy Namehana, nanomboka 1901 mankaty. Ao ihany koa ny efitra natao hanatonan’ireo vehivavy na zaza tsy ampy taona ho fanaterana ny fitarainan’izy ireo amin’ny herisetra mianjady amin’izy ireo. Ao ihany koa no ahitana efitrano malalaka iray natao efitrano fivoriana, ary io no hanaovan’ny Mpiasan’ny Kaominina Fotoam-pivavahana rehefa Alatsinainy Maraina.

Fa ankoatr’ireo, dia natolotra anio ihany koa ny « Ambilance » sy ny  » voiture de securité » izay hiasa eto Sabotsy Namehana.

Tonga nanome voninahitra ity fanokanana ity ny lehiben’ny Distrika Antananarivo Avaradrano, ny Ben’ny Tanana Kaominina Sabotsy Namehana, ireo Ben’ny tanana manodidina, nahitana ny Ben’ny tanana Ankadikely Ilafy, Ambohitrabiby, ny Delegasiona Special Manandriana, Ny solontena n’ny Ben’ny Tanana Anosy Avaratra, ary narahin’ireo olo-manakaja maro Sivily sy Miaramila.

Fa nifanindry an-dalana tamin’ity fanokanana ity ihany koa ny fanomezana marim-pankasitrahana ireo mpiara-miasa sy mpanohana ny Kaominina, ary ireo mpiasa nahavita be teto anivon’ny Kaominina Sabotsy Namehana