NOROMBAHIN’NY EKIPA SABNAM NY AMBOARA

Tontosa ny alahady 14 Mai lasa teo ny ady baolina famaranana nokarakaraina teto amin’ny Distrika Avaradrano, ka tany amin’ny Kaominina Ambohimalaza no nanatanterahana ity Famaranana ity.
 
Famaranana, izay nikatrohan’ny Ekipa Sabotsy Namehana manao ankanjo Mavo, sy ny Ekipa voafantin’ny Kaominina Anjeva manao ankanjo mena eto amin’ny sary.
 
Nandritra ny Lalao, dia samy naneho ny hahavo ny teknika hananany ny tsirairay, nisantatra tamin’ny fampidiram-baolina ny Ekipa voafantin’ny Kaominina Anjeva, rehefa somary nanao tandrevaka kely ny mpiandry vodilaharana ny Ekipa Sabotsy Namehana.

Namaly bontana ny Ekipa Sabotsy Namehana, ka tsy nijanona ny taritarika nataon-dry Bebeto sy ny ekipa raha tsy nikobana ny mason’araton’ny Ekipa Anjeva.
Io isa iray no ho iray io no nitarika nankany amin’ny fizaram-potoana faharoa

Nandritra ny fizaram-potoana faharoa dia saika nobodoin’ny Ekipa Sabotsy Namehana ny tanin’ny Ekipa Anjeva, na dia teo ihany aza ny fampisehoana mavesa-danja nasehon’ireo Ekipa avy Anjeva ireto, dia nanindry dia nanindry ry Bebeto sy ny Ekipa, vokany nahatafiditra baolina iray indray ny Ekipa Sabotsy Namehana, io no nitondra nankany amin’ny Fandresena!

Na dia nisy ihany aza ny somary fifandonanana naherihery dia nilamina izany rehefa samy niteny ireo vahoaka avy amin’ny Kaominina entin’izy ireo ny Ben’ny tanana ro tonta!!

Tena taranaky ny Tsiamboholahy tokoa isika eto Sabotsy Namehana!!