NOMENA SOLOM-BODY AKOHO NY BEANTITRA
Beantitra mihisa 255, izay ato anatin’ny Fkt 15 mandrafitra ny Kaominina Sabotsy Namehana no nomena solom-body akoho ankatok’izao fankalazana ny asaramanitra 2017, tonga nizara izany ny Ben’ny Tanàna Avotraina ANDRIAMOSA, sy ireo mpiara-miasa aminy eto anivon’ny Kaominina.
Bitika ihany ny fanomezana tahaka itony hoy ny Ben’ny Tanana raha nandray fitenenana teo ampanolorana izy, fa ny fonay zanakareo manolotra no mameno azy. Nandritr’izany koa no nanehoan’ireto Beantitra ireto ny hetahetany.
Toky no nasetry ny Ben’ny Tanana izany izany fa ho tonga, ary ho tanterina any amin’ny Tompon’andraikitra avokoa ireo hetaheta nataon’ireto Zoky olona eto amin’ny tanana ireto.
[foogallery id= »1492″]