Nodimandry ny Filoha RATSIRAKA

Andro manjombona hoan’ny Firenena Malagasy iray manontolo ity andro anio ity, satria dia tena folaka andry niankinana sy very olo-manga tanteraka ny firenena iray manontolo.
Nodimandry androany ny Filoha Didier RATSIRAKA.
Amin’ny anaran’ny Ben’ny tanana sy ireo mpiara-miasa aminy, amin’ny anarana’ny vahoaka ny Sabotsy Namehana iray manontolo no hitondrana ny teny fampiononana hoan’ny fianakaviany. Andriamanitra anie hankahery, ary hamafa ny ranomaso rehetra, ary aza misosoka alahelo intsony Tompoko.
Etoana ihany koa izahay, dia mirary raha mirary ny fahasalamana tanteraka hoan’ny Ramatoa Celine RATSIRAKA.
Ny Ben’ny Tanana
ANDRIAMOSA Avotraina