Nifandona ny Ekipa voafantina avy any Itasy ny AC Sabnam,

Androany 02 Septambre natao teto amin’ny Kianja be Mahamasina ny final, izay Nifandona ny Ekipa voafantina avy any Itasy ny AC Sabnam,
 
Nisantatra ny famonoana Baolina ny Ekipa Sabnam, izay famonoana baolina tsara indrindra nandritra ity lalao ity,
Nifamaliana ny fifanafihana ka nosalain’ny Ekipa voafantin’ Itasy izany, rehefa nisy tsy fahamatorana kely teo amin’ny vodilaharana ny Ac Sabnam , iny isa iray noho iray iny no nisaranan’ny roa tonta tamin’ny fizaram-potoana voalohany.
 
Na dia maromaro aza ireo fanafihanatsara rindra nataon’ireto ekipa zazavavy avy eto sabnam ireto tamin’ny fizaram-potoana faharoa, dia nanao ny tsy ambinina, etsy andaniny efa mitaky ihany koa ny havizanana. Hany ka nitondra nankany amin’ny fanalavam-potoana ny lalao.
 
Rehefa nisy hirika kely hitan’ny Ekipa Voafantin’Itasy, dia nahatafiditra baolina iray izy ireo, tamin’ny fizaram-potoana voalohany tamin’ny fanalavam-potoana, roa noho iray no teny amin’ny solaitra be!!
 
Nanao izay ho afany ny ekipan’ny Sabnam tamin’ny fizaram-potoana faharoa tamin’ny fanalavam-potoana, fa dia tsy nitonglilna taty amin’tsika ny vintana.
 
Io isa roa noho iray no nisarahan’ny roa tonta!!