Nibata ny amboara tamin’izany ny lycée Andrianampoinimerina
Norombahan’ny mpianatra malagasy ny loka voalohany tamin’ny fifaninanana » Energies 2019″ mikasika ny tetikasa momba ny angovo izay natao tatsy amin’ ny nosy Maorisy, natokana ho an’ ireo mpianatra amin’ ny Lycée. Ny Vaomieran’ny ranomasina indianina (COI) sy ny tambazotra Eco-Schools Océan Indien moa no nikarakara ny fifaninanana.
Nibata ny amboara tamin’izany ny lycée Andrianampoinimerina Sabotsy Namehana- Antananarivo Avaradrano tamin’ny alalan’ny tetikasa « Biogaz ».
Marihina fa efatra ireo sekoly nifaninana dia ny lycée Andrianampoinimerina Sabotsy Namehana tamin’ny alalan’ny tetikasa « Biogaz » ao amin’ny sekolin’izy ireo ; ny lycée Said Mohamed Djohar atsy Comores nandroso ny tetikasa « Solar Lycée » ; ny Mauritius College Boys atsy Maorisy tamin’ny alalan’ny tetikasa « A proposal to use solar energy as an alternative power source for Mauritius College »; ary farany ny mpianatry ny Anse Royale Secondary School avy atsy Seychelles amin’ny alalan’ny tetikasa « Solar grass cutter ».
(Sary nindramina)
Loharano :gasypatriote