NIALA VOLY KELY NY MPIASA ETO ANIVON’NY KAOMININA
Tany amin’ny #Camping_de_Katsaoka, ao anatin’ny Faritra Itasy, lalana mankeny Imerintsiatosika no nosafidian’ny fianakavim-ben’ny Kaominina Sabotsy Namehana nialana sasatra rehefa mba nivoaka kely tahaka ny fanao isan-taona ny mpiasa sy ny fianakavian’izy ireo.
Samy naneho ny hafaliana ny rehetra, nilomao, nandihy, nihira, ary nisy ny fiarahana nisakafo.
Isaorana manokana Andriamatoa Ben’ny tanana, mivady nanome fiara marobe nitanterahana nandroso sy niverina nandritran’ity fivohana natao ity.