NAVOAKA TAMIM-POMBA OFISIALY IREO QUARTIER MOBILE

Tontosa ny Zoma 30 Aprily 2021 tao amin’ny Tobin’ny Polisim-pirenena  Sabotsy Namehana, ny lanonana famoahana tamin’ny fomba ofisialy ireo Quartier Mobile miisa 27 mandrafitra ny Fokontany 17 ato anatin’ny Kaominina Sabotsy Namehana, rehefa avy nanaraka fiofanana nandritry ny telo (03) andro. Ny avy ao amin’ny polisim-pirenena izay notarihan’Atoa RANAIVOMAHALEO Fenohajasoa, Commissaire Central Antananarivo Avaradrano no nampiofana azy ireo.

Tonga nanotrona sy nanome voninahitra izany Atoa ANDRIAMOSA Avotraina, Ben’ny Tanànan’ny Sabotsy Namehana, Ny Deleguem-panjakana izay misolotena ny fitondram-panjakana foibe, ary ny Lehiben’ny Tobim-paritry ny Zandarimariam-pirenena, izay samy nampahafantatra ny andraikitra iantsorohan’izy ireo avy, ary nitso-drano azy ireo ihany koa hahefa amin’ny adidy goavana miandry amin’ny maha-masoivoho azy ireo eny anivon’ny fokontany misy azy avy, ny tsy fandriampahalemana, ny fifamoivoizana, fanaraha-mason’ny fanadinam-panjakana ary ny asa sosialy maro isan-karazany.

Nisy ny fanolorana marim-pankasitrahana azy ireo