Nasiam-panavaozana ny Lapan’ny Tanana eto Namehana

Ho fanantsarana ny Lapan’ny Tanana eto Namehana, andaniny, ho fiantrehana ny fifidiana Loholona ( Senateur) izay hatao ny 11 Desambra 2020 ary indrindra ho fanomezana fahafaham-po antsika vahoaka eto amin’ity vohitra sy tanana misy antsika ity.

Ankoatr’izay, ho fanomezana hasina ireo olona tonga hisoram-panambadiana eto amin’ny Kaominina, dia nasiam-panaovana, nohatsaraina, ary nampiana ireo fitaovana sy kojakoja ampiasaina ato amin’ity Lapan’ny tanana eto amin-tsika ity.

Koa dia manentana hatrany antsika rehetra izay hiroso amin’ny fisoratam-panambadiana fa natao kanto sy meva ary mendrika handray ny soram-panambadianareo ny Lapan’ny tanana eto Sabotsy Namehana.