Nandalo eto antanindrazana i AMADA IBRAHIM
Nandalo eto antanindrazana i AMADA IBRAHIM ka nandray azy ny Ben’ny Tanana ny Commune Sabotsy Namehana sy Mpanolon-tsaina ny Tanana ary ireo mpiara miasa aminy, nankasitraka azy tamin’ny fitondrany avo ny voninahim-pirenena.
Marihina fa I AMADA IBRAHIM dia zanakin’ny Tanana eto Sabotsy Namehana, ary mipetraka eto Sabotsy Namehana.
Amin’ny Alahady ho avy io, dia hisy ady baolina kitra famaranana, izay hikatrohan’ny Ekipa FC 417 sy ny ROVAN’ILAFY , ka dia tapaka fa ity kitan’ny Baolina Kitra Malagasy ao amin’ny Barea ity dia hanatrika sy hanolotra ny Amboara amin’io fotoana io.
Ho arahin-tsika mivantana eto amin’ny tranon-kala sy ny takelaka facebook ahitana ny Commune Sabotsy Namehana izany