Nahazo Fiara Vonjy Voina ( Ambulance) vaovao
Nahazo Fiara Vonjy Voina ( Ambulance) vaovao ny Commune Sabotsy Namehana, manara-penitra tanteraka ity fiara vaovao ity.
Izany no nisy dia vokatry ny fiaraha-miasa matotra teo amin’ny Kaominina sy ny malalatanana avy any dilam-bato, izay tsorina fa zanaky ny Kaominina Sabotsy Namehana ihany.
Hisaorana ny fitondram-panjakana nanamora ny famoahana ity fiara ity teny anivon’ny serana-tsambo, sy ireo pitsopitsony mahakasika an’izany.
Natao hoan’ny daholo be ity fiara ity, araka ny fialan’Andriamatoa Ben’ny Tanana dia maimaim-poana ny saram-pitanterana ny marary raha ato anatin’ny Kaominina Sabotsy Namehana no entina ilay marary, fa raha mivoaka ivelany ( miakatra mankany Antananarivo) ny Kaominina kosa dia manefa ny sarany 30 000 Ar. Izany no natao dia ho fifampitsinjovana ny tsirairay.
Ity ny laharana hahazoana ny « Ambulance » eto Sabotsy Namehana : 034 45 287 87