MPIAVA | NIVOAKA NY ANDIANY « AMONTANA »

Anio Alahady 07 Martsa 2021 no notanterahina teto amin’ny EDN,

Commune Sabotsy Namehanany famohana ireo andiany indray mihira « AMONTANA » izay Mpianatra Kabary ato anatin’ny FIMPIMA Sampana Mpikabary Iarivo Avaradrano. na ilay fantatra amin’ny anarana hoe #Mpiava
Marihana fa ny Kaominina Sabotsy Namehana sy ny Kaominina Imerintsiatosika dia Samy ao anatiny Sampana MPIAVA.
Tonga nanome voninahitra izany ny Ben’ny tanana ny Kaominina Ambonivohitra Imerintsiatosika, sy ny vadiny Andriamatoa Solombavam-bahoaka voafidy tao Arivonimamo, ny Solon-tenan’i Ramatoa Filohan’ny FIMPIMA, ny Filohan’ny Mpikabary Iarivo Avadrano, ary ny Ben’ny Tanana Kaominina Sabotsy Namehana.
Fizarana solom-bodiakoho, fanasalorana ny lamban’ny FIMPIMA, fampitana ny afo miampita, fandraisam-pitenena maro samy hafa no nentina nanamarihana an’ity andro manan-tantara ity.