MATOTRA NY FIARAHA-MIASA AMIN’NY MINISTERAN’NY MPONINA

Matotra tanteraka ny fiaraha-miasan’ny Kaominina Sabotsy Namehana eo amin’ny fampandrosoana.

Nanditra ny fandalovan’ny Minisitry ny Mponina sy ny Fiahiana Ara-Tsosialy Ary Ny Fampivoarana ny Vehivavy, Ramatoa Onitiana REALY teny an-toerana omaly 11 May 2017 no nanolorany tetikasa sy fanampiana hoan’ireo mponina sahirana.

Tafiditra  tao anatin’izany ny fanomezana asa tana-maro ireo olona tsy an’asa miisa 250 mandritran’ny (5) Dimy andro. Asa tanterahin’izy ireo amin’izany ny lakandranon’Andoharano mirefy 4 km, izay manondraka tanimbary 600 ha. Teo koa ny fanolorana milina fanjairana iray avy hoan’ny fikambanam-behivavy maromaro izay ahitana ny Avotraina, Vehivavy Salama ary ny <salohy.

Ankoatra ireo, nisy ny fanoloran-dRamatoa Minisitra fanampiana isan-tsokajiny toy ny vary sy siramamy ary savony ho an’ireo beantitra 100 notsongaina avy amin’ny Fokontany 17 mandrafitra ny Kaominina.

Tonga nanotrona ny hetsika teny an-toerana ny Ben’ny tananan’I Sabotsy Namehana, Andriamatoa Avotraina niaraka tamin’ny Lehiben’ny distrika sy ny Solom-bavambahoakan’I Madagasikara voafidy taty avaradrano