Mankasitraka indrindra Ra-Jean Louis!!
Ny Herinandro lasa teo no nandeha nisotro ronono Andriamatoa RATSIMANOHATRA Jean Louis, rehefa nahavita be ka nisahana ny andraikitra
Mpiambina ny Kianja Herisetra RAFANODINA, nandritra ny 12 taona.
No mariky ny fankasitrahana ny asa soa vitany teto anivon’ny Kaominia, dia notolorana marim-pankasitrahana avy amin’ny Kaominina Sabotsy Namehana izy,
Tonga nanotrona izany ny Ben’ny tanana, ny Lehiben’ny Mpanolontsain’ny Tanana, ary ireo mpiara-miasa eto anivon’ny Kaominina.
Mankasitraka indrindra Ra-Jean Louis!!