Lehiben’ny Boriboritany eto amin’ny Kaominina Sabotsy Namehana
Nisy ny lanonana tsotra ho fanamarihana ny fandehan’Andriamatoa Lehiben’ny Boriboritany eto amin’ny Kaominina Sabotsy Namehana, Andriamatoa RAZAFIMAHEFA Olivier, Izay Delegem-panjakana niasa nandritra ny taona maro teto anivon’ny Kaominina Sabotsy Namehana, hisotro ronono
Ho fankasitrahana ireo zava-bitany, dia notolorana « ARMOIRIE », izay marim-pamantarana ny Kaominina Sabotsy Namehana ity olo-mangan’ny Kaominina ity.
Nanotrona izany lanonana izany, Andriamatoa Ben’ny Tanana, Ireo Mpanolon-tsaina Kaominaly, ary ny ireo mpiara-miasa rehetra eto amin’ny Kaominina.
Tamin’ity fotoana ity ihany koa no nampahafantarina ny Lehiben’ny Boriboritany vaovao, dia Andriamatoa RAMAROSON Hoby Fitiavana.