Lavon’ny SABNAM ny CRA

Notanterahina androany faha 24 Jona 2023, ny ady baolina kitra nifanaovan’ny Ekipa voafantin’ny Kaominina Sabotsy Namehana, sy ny Ekipa voafantin’ny Kaominina Ambohimangakely, izay natao tetsy amin’ny Kianja Herisetra RAFANODINA!!
Nizotra tamim-pilaminana ny lalao natao, samy naneho ny fahaiza-manao hananany avokoa ny roa tonta, ka nifandanja tsara ny lalao, fa tamin’ny faramparan’ny ampaham-potoana voalohany ni nahatafiditra baolina ny y Ekipa voafantin’ny Kaominina Sabotsy Namehana, rehefa nisy tandrevaka kely nataon’ny vodilaharan’ny Ekipa voafantin’ny Kaominina Ambohimangakely; Nitsikobana ny harato, Iray nohon’ny tsy misy ny baolina, nitarika ny Sabnam.
Niditra tamin’ny fizaram-potoana faharoa, na dia niezaka nanao izay ho afany aza ny avy eny Ambohimangakely, dia nanano sarotra ny nampiditra baolina tao amin’zareo Sabnam, ka iny isa iray no aotra iny no nisarahan’ny roa tonta.
Tiana ny manamarika, fa tao anatin’ny firalahiana tanteraka no nanaovana an’ity lalao ity!