Lasa Renivohitry ny Distrika

Ny Distrikan’Antananarivo Avaradrano dia nankalaza ny fetin’ny fiverenan’ny Fahaleovan-tena, toy ireo Distrika manerana an’i Madagasikara.

Teto Sabotsy Namehana, izay lasa Renivohitry ny Distrika (Chef lieu de District) no nanatanterahana izany

Toy izao ireo hetsika nentina nanamaraina izany andro izany

  1. 24 Jona : Podium nafanain’ireo tarika maro efa fata-daza
  2. 25 Jona : Afo manga, narahina afon-dasy
  3. 26 Jona Matso lehibe notaterahina teo amin’ny Kianja Herisetra Rafanodina, nahitana ny :

Zandarimaraim-pirenena, Polisim-pirenena, Polisy Monisipaly, Quartier Mobile, Personnel District, Mpianatra, ….

Marihina fa ny hetsika rehetra dia teo ambany fiahian’ny Fitondram-panjakana Malagasy, izay notarihin-dRamatoa Lehiben’ny Distrika Antananarivo avaradrano