Lanonanana nentina nanamarihana ny Famindran-draharaha

Lanonanana nentina nanamarihana ny Famindran-draharaha misy eo amin’ny ENDAOI sy ny Kaominina sabotsy Namehana
Izay mahakasika indrindra ny Rafitra Fanadiovana sy Fidiovana (RF2)

Raha tsiahivina moa ny asan’ireo RF2 ireo, dia misehatra indrindra amin’ny fanadiovana ny tanana, indrindra eny anivon’ny Fokontany, ka Fokontany miisa 4 no iasan’izy ireo raha eto anivon’ny Kaominbina Sabotsy Namehana manokana.
Tsipihina fa ny ENDAOI no nitantana azy nandritra ny 2 taona lasa izany, ary androany Alarobia 27 Septambra 2017 no nafindra ho tanantan’ny Kaominina ny fitantanana ity RF2 ity

Nentina nankalazana izany dia nisy ny fifaninana isam-pokontany izay fiofaninana miompana indrindra amin’ny fahadiovana, fifaninana nitsirihana ireo Fokontany madio sy mendrika indrindra,

Fitaovana enti-manadio no loka nozaraina tamin’izany.