Kopia Faobe
Ny Alakamisy 30 Martsa 2017, nanomboka tamin’ny 9 Ora no notanterahina teto amin’ny Kianja Herisetra RAFANODINA ny fanatanterahana ny fitsarana mitety vohitra mahakasika ny Kopia Faobe niarahana tamin’ny Rotary Club Antananarivo Doyen.
Kaominina (06) aty amin’ny Distrika Antananarivo Avaradrano no nanaovana izany, nahitana ny Kaominina Sabotsy Namehana, Kaominina Manandriana, Kaominina Fieferana, Kaominina Vilihazo, Kaominina Anosy Avaratra, Kaominina Ankadikely Ilafy
Nahatratra 460 ireo olona latsakin’ny 18 taona tao amin’ny Kaominina Sabotsy Namehana no nahavita izany.
Ny Alarobia 7 Jona ho avy io no hizarana amin’ny fomba ofisialy hoan’ny Distrika Avaradrano, ka ao amin’ny Kianja Herisetra RAFANODINA ihany no hotanterahina izany..
Ny Fotoam-pitsarana dia nifarana tamin’ny 3:30 mn tolak’andro