JOURNÉE DES ECOLES2019
JOURNÉE DES ECOLES2019
Nosokafana tamim-pomba ofisialy ny andro natokana hoan’ny Sekoly ( JOURNÉE DES ECOLES) teto amin’ny Kaominina Sabotsy Namehana.
Koa ho fanombohana, dia nisy ny fanaovana hazakazaka madinidinika ( Semi Marathon) izay notarihin’Andriamatoa Ben’ny Tanana ANDRIAMOSA Avotraina, sy ny Mpitandro filaminana, ny Mpanabe, ary ny Mpianatra avy ao amin’ny LCO eto Sabotsy Namehana. Marihina moa fa mahatratra 10 km tany ho any ity hazakazaka ity.
Natao indrindra izao, araka ny filazan’Andriamato Ben’ny ho fialam-boly, no entina hanehoana ny firaisan-kina sy ho famporisihana ireo mpianatra ho tia fanatanhan-tena.
Fa ho tohin’ny fankalazana, dia hisy fifaninana fanatanjahan-tena, sy hetsika maro lafy etina hanamarihana ity andro natokana hoan’ny Sekoly ity (JOURNÉE DES ECOLES 2019)