Ho fahatsiarovana ny tolona nataon’ireo mahery fo Malagasy
Ho fahatsiarovana ny tolona nataon’ireo mahery fo Malagasy niady hoan’ny fahaleovantena ny 29 Martsa 1947, izay fanao isan-taona, dia nahatsiaro izany koa ny Kaominina Sabotsy Namehana.
Nentina nanamarihana izany fahatsiarovana izany dia ny fametrahana ny fehezambonin-kazo teo amin’ny Tsangam-bato natokana hoan’ireo Mahery eto Sabotsy Namehana, tonga nanatanteraka izany ny Ben’ny Tanana Kaominina Sabotsy Namehana, Andriamatoa Avotraina Andriamosa, ny Kaomisarian’ny Polisy ny Distrika Avadrano, ny Lehiben’ny Borigadin’ny Zandarimariam-pirenena eto Sabotsy Namehana, ireo Lehiben’ny FKT rehetra eto anivon’ny Kaominina, Ireo Quartier Mobile, ireo mpiasa rehetra miasa eto amin’ny Kaominina.
… hiadana sy ho finaritra!!
… e! Sambatra tokoa izahay!!