HETSIKA KOPIA FAOBE 2018
Androany; Alakamisy 26 Aprily 2018 no natao ny fitsarana mitety vohitra; nanatanterahana ny fanaovana ny Kopia Faobe; hoan’ireo izay tanora sy ankizy latsaiky 18 taona izay natao taty amin’ny Distrika Antananarivo Avaradrano ; teto amin’ny Kaominina Sabotsy Namehana.
Ity hetsika fanaovana kopia faobe ity, dia fifanampiana avy amin’ny ROTARY CLUB ANTANANARIVO, ny KAOMININA SABOTSY NAMEHANA, ary ny DISTRIKA AVADRANO, tanjona amin’izany ny fanampiana ireo ray aman-dreny tsy nahavaita nanamboatra kopia hoan’ny zanak’izy ireo teo ampiterahana, sy ho fanampiana azay ireo amin’izay mety ho fisahiranana haterak’izany tsy fanana Kopia izany.
Tonga nanatanteraka izany mpitsara 4 mirahavavy, nomban’ireo mpiara miasa aminy, tonga nanome voninahitra ity fitsarana mitety vohitra ity koa ny Ben’ny Tanana Kaominina Sabotsy Namehana Andriamatoa Avotraina ANDRIAMOSA, ny Filohan’ny ROTARY CLUB ANTANANARIVO, ny Solon-tenan’ny Lehiben’ny Distrika Antananarivo Avaradrano. Ary tonga marobe nanotrona izany koa ireo mpahazo tombontsoa.
Ireo izay nandray fitenenana dia samy nanatitratritra fa tena zo fototra tsy maintsy hanana’ny tsirairay ny fananana izany Kopia nahaterahhna izany, satria ny fananana izany dia anisan’ny singa iray ho kitro hifaharan’ny firenena.
Sitraka feno sy fisaorana mitafotafo no nasetr’ireo mpahazo tombontsoa izao fihetsika sy fifanampiana maha te-hidera izao.
Fantatra ary fa afaka 30 andro eo ho eo dia hozaraina ny kopia fizay natao androany.