HETSIKA FAMORANA FAOBE

Zazalahy kely miisa 183 no indray nanato famorana faobe teto amin’ny Kaominina Sabotsy Namehana, izay notanterahina tao amin’ny CSB II Sabotsy Namehana ihany.

Izao fanampina ny ray aman-dreny ety amin’ny Kaominina izao, dia vokatry ny fiaraha-miasa sy fifanomezan-tanana misy eo amin’ny Kaominina Sabotsy Namehana tarihin’ny Ben’ny tanana , Andriamatoa Avotraina Andriamosa, sy ireo mpiara-miasa aminy, toy ny Fikambanana Avotraina, ny Association Direct Aid, Mpikitra,LOI (Lingerie de l’Ocean Indien), sy ireo mpiara hafa rehetra

Tsipihina hatrany fa ny Dokotera FIDY avy ao amin’ny Clinique Fidy Ambatomainty Antananarivo, no nanatontosa ity hetsika famorana faobe ity. Ny Famorana amin’ny Fomba Amerikana (Circoncision à l’Americaine) no nanaovana ny famorana ireo zazalahy ireo.

Nomena killao avy ireo zaza miisa 183 vita famorana ireo.

Izao hetsika izao dia efa fanaon’ny Kaominina Sabotsy Namehana isan-taona