HERINANDRON’NY SEKOLY

Nofaranana io maraina io ny HERINANDRON’NY SEKOLY ( Journée des Ecoles) rehefa naharitra hateloana,
Ka teto amian’ny Kianja RAFANODINA no nofidian’ny ZAP Avaradrano, hamaranana izany.

Tonga nanome voninahitra izany famarana izany ny Chef ZAP eto amin’ny CISCO Avaradrano, Ny Ben’ny Tanana ny Commune Sabotsy Namehana, Ireo Mpanolon-tsain’ny Tanana Sabotsy Namehana,

Tsipihina, fa nahatratra 58 isa ireo Sekoly miankina, sy tsy miankina amin’ny fanjakana nandray anjara tamin’ity famaranana ny FAMARANANA HERINANDRON’NY SEKOLY izay natao androany ity.

Ny Chef ZAP ny CISCO Avadrano, Andriamatoa RAFANIRIANTSOA A. Leon Prisca, raha nandray fitenenana dia nisaotra ny Be’ny Tanana manokana nohon’ny fiaraha-miasa matotra sy mahomby misy eo amin’ny Kaominina sy ny Tontolon’ny fampianarana aty Avaradrano!

Nofaranana tamin’ny fiaraha-miala hetaheta, izay natao tao amin’ny EDN moa ny fotoana taorin’izany