Hatomboka ny Fanamboaran-dalana
Araka ny fampananten’ny Filohan’ny Repoblika, Andriamatoa Hery RAJAONARIMAMPIANINA ho fanamboarana ny lalana miainga eto amin’ny Kaominina Sabotsy Namehana, mandalo ny FKT Andobo, Ambatofotsy, ary mipaka hatrany Ambohidrano.
Mialohan’ny tena hanombohan’ny asa dia nidina ifotony nijery izany ny Solon-tenam-panjakana notarihin’Andriamatoa Ben’ny Tanana, niaraka tamin’ny Teknisianina ary ny solon-tena ny Orin’asa hanatanteraka ity fanamboaran-dalana ity.
Midika izany fa ho nofy ratsy sisa ny haratsian-dalana amin’ireo toerana voalaza etsy ambony ireo.