Forum International Jeune et Employe Vert

RAKOTOARISOA Nanthie, dia anisan’ireo nandray anjara tamin’ny  » Forum International Jeune et Employe Vert » (FIJEV). Ary mbola nandray anjara tamin’ny fifaninana « START UP » ;

Ka « peinture ecologique » no nentin’ity zanak’i Sabotsy Namehana ity nifaninana tamin’izany.
Nohon’ny ezaka vitany, nohon’ny fahalalana hanany dia nahazo ny laharana faha2 izy. Izay notolorana vola mitentina 3 000 Euro. mbola miampy fanganana Orin’asa.
Marihina fa firenena 7 ato anatin’ny Ocean Indien ary miampy ny firenena Canada no nandray anjara. Nahitana mpifaninana 350 isa.
Ity fifaninana ity, dia teo ambanin’ny fiahian’ny Ministeran’ny Tanora sy ny Fanatanjahan-tena, ary tohanan’ny NEXTA.

Ho fankasitrahana sy ho fankaherezana, dia noraisain’ny Ben’ny Tanana Avotraina Andriamosa tao amin’ny Biraon’ny Kaominina moa ity maherifon’ny Sabotsy Namehana