FIZARANA ZEZIKA SY MASOMBOLY
Tantsaha misa 40, miparitaka ao anatin’ny Fokontany 07, ahitana ny Fokontany Andiadiana, Fokontany Ambohibary, Fokontany Namehana, Fokontany Amorondria, Fokontany Ambohinaorina, ary ny Fokontany Andrefantsena; no nisitraka ny fanomezana avy amin’ny fitondram-panjakana, tamin’ny alalan’ny fanelanelanan’ny Kaominina, fanampiana izany ahitana : Zezika 150Kg sy Masomboly 120Kg.
Tonga nanolotra izany ny Ben’ny tanana ny Kaominina Sabotsy Namehana, Andriamatoa AVOTRAINA Andriamosa, sy ny Filohan’ny Mpanolontsaina Kaominaly RAKOTOMALALA Jerome, notronin’ireo Mpiara-miasa aminy avy.
Marihina, fa araka ny latateny nataon’Andriamatoa Ben’ny tanana dia ho raisin’ny Kaominina Sabotsy Namehana antanana ny fikojakojana ny fotodrafitr’asa toy fanadiovana sy fanamboarana ny vavarano Andoharano, fametrahana “Busou”, fanadiovana ny lakan-drano sns….
Izany rehetra izany no natao, dia entina indrindra ha fampiroboroboana ny fambolena sy hanomanana dieny zao ny fotoam-pamokarana ny taona 2018 – 2019 ho avy io.
Fisaorana feno no nasetrin’ireo mpahazo tombontsoa izany fihetsika ho fitsinjovana ny maha olona izany.