FIZARANA NY KOPIA FAOBE

Anio Zoma 16 Jona 2017,  no notanterahina ny fizarana ireo Kopia Faobe hoan’ireo zaza latsakin’ny 18 taona, teto amin’ny Distrika Avadrano, tao amin’ny Kianja Herisetra RAFANODINA no nanatanterahina izany.

Raha tsiahivina, dia nisy ny fanampiana ny ray aman-dreny amin’ny fanaovana ny Kopia hoan’ny zaza latsakin’ny 18 taty amin’ny Distrika Avadrano, Fifanohanan’ny  Rotary Club International (Antananarivo) sy ny Distrika Avaradrano, ary ireo Kaominina 16 ato anatin’ny Distrika no angady nanana sy vy nahitana ity hetsika ho fifanohanana ity.

Zaza miisa 3 000 no indray nahazo tombontsoa tamin’izany, ary raha ny Kaominina Sabotsy Namehana manokana dia nahitana zaza 1000 isa no nisitraka izany.

Tonga nanome voninahitra ity fizarana ny Kopia Faobe ity ny avy amin’ny Rotary Club International Antananarivo, ny Lehiben’ny Distrika Avaradrano, Ireo Ben’ny Tanana eto anivon’ny Distrika, nahitana ny Ben’ny Tanana Ankadikely Ilafy, ny Ben’ny Tanana Manandriana, ny Ben’ny Tanana Viliahazo, ny Ben’ny Tanana Anosiavaratra, ny Be’ny Tanana Sabotsy Namehana, sy ireo olo-manakaja maro.

Fisaorana mitafotafo moa no nasetrin’ireo ray aman-drenin’ireto zaza nahazo izao fanampiana izao, fisaorana izay natolony hoan’ireo nitoto nahafotsy sy nahandro namahasaka ity hetsika ity.