FIZARANA MASOM-BOLY SY ZEZIKA

Tantsaha miisa 61, ato anatin’ny Kaominina Sabotsy Namehana no novatsiana masomboly sy Zezika
Famatsiana izay avy amin’ny ministeran’ny Fambolena, ary  tamin’ny alalan’ny tantsoroka nataon’ny Kaomibina Sabotsy Namehana.

Tonga nanolotra izany ny Ben’ny Tanana mpisolon-toerana, Andriamatoa RAKOTONANAHARY Théophile, sy ireo mpiara-miasa aminy.
Nialohan’izao fizarana masom-boly izao, dia efa nisy sahady ny fampiofanana ireo Tantsaha Mampiofana miisa 06, izay natao teny amin’ny FTA Ambatobe
Ireo tantsaha ireo indray no hizara ny traik’efa azon’ireo hoan’ireo tantsaha namany, amin’ny voly valy PAPRIZ
Toy izao ny fandaharan’asa amin’izany voly vary  PAPRIZ izany:

– Famafazana voalohany : 29 Novambara 2019 eny Antaniketsa eny ihany no hifampizarana ny andro manaraka.
Ity famatsiana ity dia notanterahina ny Talata 12 Novambra 2019 lasa teo