FIZARANA KOPIA FAOBE

Zaza, ankizy latsaky ny 18 taona miisa 100 mahery no nozaraina kopia faobe ny 27 Jona 2017 lasa teo, teto amin’ny Kianja Herisetra RAFANODINA, eto amin’ny Kaominina Sabotsy Namehana.
 
Faly sy ravo ireo Ray aman-drenin’ireo zaza nahazo izany tombontsoa izany, satria tsampan’izy ireo fa toa olona very zo ny olona iray tsy manana kopiam-pahanterahana.