FIZARANA FITAOVANA HO AN’NY SEKOLY EPP ANDREFANTSENA

FIZARANA FITAOVANA HO AN’NY SEKOLY EPP ANDREFANTSENA

Nanolotra kits scolaires miisa 210, izay nahitana cartable, cahier, stylo, solaitra, crayon, crayon de couleur, gomme, règle, ho an’ireo mpianatra tao amin’ny Sekoly Fanabeazana Fototra Andrefantsena, Kaominina Sabotsy Namehana ny volana Oktobra 2016 lasa teo, ny Fikambanana Amboara.

Tsy nihonona tamin’izay fa mbola nanolotra fanampiana ihany koa ny Alakamisy 10 Novambra 2016 lasa teo, ka dabilio vaovao 6, dabilio navaozina 2, latabatra birao 4 sy seza 4, baolina 2, maillot 15 ary matériels pédagogiques toy ny cahier 200pejy 3 paquets, règle, stylo, boite de craie, chemise cartonnée miisa 103 no natolotra tamin’izany. Araka izany dia samy nahazo ny anjara tandrify azy ny mpianatra sy ny mpampianatra ary ny sekoly, izay marihina fa misy mpampianatra 10 ary mpianatra 226 ao amin’io EPP Andrefantsena io.

Izany fanolorana fitaovana izany dia nomarihana tamin’ny lanonana tsotra izay natrehan’Atoa Lefitra Voalohan’ny Ben’ny Tanàna sy ny Lehiben’ny Kabinetran’ny Kaominina Sabotsy Namehana, Ramatoa Talen’ny Sekoly sy ny mpiara-miasa aminy, ny solotenan’ny Fikambanana Amboara sy ireo Ray aman-drenin’ny mpikambana ary ireo Ray aman-drenin’ny Mpianatra sy ireo mpianatra ao amin’izany Sekoly EPP Andrefantsena.

Ny Fikambanana Amboara dia fikambanana tanora gasy miisa 30 eo ho eo, monina any ampitan-dranomasina ary manana Masoivoho eto Madagasikara. Misy amin’izy ireo no zanak’i Sabotsy Namehana, ary izany no antony tsy nanadinoin’izy ireo ny mpiray tanindrazana aminy ka nisafidianana ny EPP Andrefantsena nanaovana izao asa soa izao. Efa ho folo taona no nitsanganan’izany Fikambanana izany, izay manao hetsika fitadiavam-bola isan-taona hoentiny hanampiana ny mpiray tanin-drazana ; ka manampy ny Sekoly Fanabeazana Fototra (EPP) no tanjon’izy ireo amin’izany.