Fitsidihina ifotony ny fanavaozana ny tsena

Ny Alakamisy 25 Janoary, taona 2018 lasa teo no nanao fitsidihana ifotony nijery ny fivoaran’ny asa fanavaozana sy fanantsarana ny tsena eto Sabotsy Namehana ny Ben’ny Tanana ny Kaominina Sabotsy Namehana Andriamatoa Avotraina ANDRIAMOSA, niaraka tamin’ireo mpamatsy vola izany tetik’asa izany.

Ity fanavaozana ny tsena eto amin’ny Kaominina Sabotsy Namehana ity dia novatsian’ny Union European Vola, fiaraha-miasa eo amin’ny Kaominina, ary ny ASA

Nandray azy ireo, sy nanazava ny fizotry ny asa kosa ny « Entreprise Domoina » izay miandraikitra feno ny fanavaozana sy fanantsarana ity tsena eto Sabotsy Namehana ity.