FITOKANANA TETEZANA
FITOKANANA TETEZANA AMBATOFOTSY – SABOTSY NAMEHANA
Notokanana androany 22 Jona 2016 ny tetezana Ambatofotsy, Anisan’ny FKT iray be mponina indrindra eto amin’ny Kaominina Sabotsy Namehana
Ity tetezana izay mirefy 16m oity dia anisan’ny mampitaraina ny vahoaka monina amin’iny faritra iny, indrindra rehefa fahavaratra,
Tiana aloha no mampahafanatra fa mampitohy Kaominina 3 ato anatin’ny Distrika Avaradrano ity tetezana dia ny Kaominina Viliahazo, ny Kaominina Manandrina, ary ny Kaominina Sabotsy Namehana
Tonga nitokana izany ny Filoham-pirenena Hery RAJAONARIMAMPIANINA, notron’ireo mpiara-miasa aminy akaiky, nahitana, Minisitra, Loholona maromaro
Tonga nanatrika izany koa ny Solom-bavam-bambahoaka voafidy tety an-toerana, ny Lehiben’ny Distrika Avadrano, ary tsy hadino ihany koa ireo Ben’ny tanana miasa amin’ny Kaominina nahazo ity foto-drafitr’asa ity
Dia ny Ben’ny Tanana Kaominina Viliahazo, ny Ben’ny Tananany Kaominina Manandrina, Ben’ny Tanana Kaominina Sabotsy Namehana; Andriamosa AVOTRAINA
Nandritra ity fitokanana ity nonilazan’ny Filoham-pirenena mivantana tamin’ny vahoakan’ny Kaominina Sabotsy Namehana fa hamboriny tsy ho ela ny lalana miala eto Sabotsy Namehana mankany FKT Ambohidrano
Ary nanomezan’ny baiko ny tompon’andraiktra isan-tsokajiny amin’ny fanatanterana ny asa, arak’izay haingana izay azo hatao.
Tamin’io fotoana io ihany koa no nitokanan’ny Filoham-pirenena tambim-pomba ofisialy ny TRANO FANDIDIANA, ahitana efitrano miisa roa (02) (Bloc Operatoire) eny Hopitaly Anosy Avaratra
Sy ny fanavaozana ny foto-drafitr’asa hita eto amin’ity Hopitaly ity, tsiahivina hatrany moa fa mahazo tombontsoa mivantana amin’ny alalan’ity Hopitaly ity ny Kaominina rehetra lalovan’ny Lalam-pirenena Fahatelo (RN3)
Manatantara ity Hopitaly eto Anosy Avaratra izay vao nitokanan’ny Filoham-pirenena ity, satria dia teto no nahalatsahan’ny tavonin’ny Filoham-pirenena Hery RAJAONARIMAMPIANINA