FITOKANANA NY KIANJA HERISETRA

FITOKANANA NY KIANJA HERISETRA

Fametrahana amin’ny Fomba ofisialy ny anaran’n I HERISETRA RAFANODINA

Itondra ny anaran’ny Kianja filalaovam-baolina eto Sabotsy Namehana

Mpianatra sy klioba mpilalao baolina maro ary mpiasan’ny Kaominina no nilahatra nanome voninahitra ny lanonana, tonga nanafana izany lanonana izany ny Mpitsoka Mozika ny Tafika Malagasy.

Nitarika ny Lanonana tamin’izany Ramatoa Lehiben’ny Distrikan’Antananarivo Avaradrano, notronon’ny Filoha Lefitry ny Federasiona Malagasy ny Baolina Kitra

Ny Ben’ny Tanana sy ny Filohan’ny Mpanolontsaina, ny Delegem-panjakana, Ny Lehiben’ny Tobim-paritra Zandarimaria sy ireo olo-manan-kaja maro sivily sy miaramila.

Taorian’ny fifndimbiasan-kabary izay nataon’ireo vahiny nasaina, dia raikitra ny ady baolina goavan izay nifandonan’ny Firaisana SABNAM sy ny Dynamo de FIMA

Nivoaka nandresy tamin’ny isa 2 no iray ireto farany!

[wowslider id= »1″]