Fitokanana foto-drafitr’asa maro sosona

Ny Fanavaozana ny lalana kaominaly, izay tetikasan’Atoa Filoham-pirenena
– Ny famboarana ny Tsena eto amin’ny Commune Sabotsy Namehana
– Ny Fananganana ny Ivontoerana fampiofanana ny vehivavy ao Antsofinondry, izay tetikasan-dRamatoa Vadin’ny Filoham-pirenena
– Fitokanana ny efitrano fianarana Ny CEG Sabotsy Namehana
 
Ireo fitokanana foto-drafitr’asa maro sosona ireo no notokanana tamim-pomba ofisilay teto amin’ny Commune Sabotsy Namehana.
 
Tonga nanome voninahitra sy nitokana ofisilay izany ny Filohan’ny Repoblika, Andriamatoa Hery RAJAOMAMPIANINA, notronin’ireo Minisitra samihafa ao anatin’ny Gouvernemanta, Ireo olo-manakaja maro Sivily sy Miaramila, ary ny Ben’ny tanana ny Kaominina Sabotsy Namehana, Andriamatoa Avotraina Andriamosa.
 
Hoy indrindra Andriamatoa Ben’ny tanana tamin’ny fandraisam-pitenenana nataony
 
 » Manoloana izany fampandrosoana lehibe izay nataonareo izany, dia tsy hainay ny tsy hanolotra fisaorana feno fankasitrahana anareo fitondram-panjakana sy ianareo mpiara miombon’antoka rehetra. «